Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fianarana teny japoney: hahazo vatsim-pianarana ireo mendrika

Fianarana teny japoney: hahazo vatsim-pianarana ireo mendrika

Hotanterahina androany, eny amin’ny fakiolten’ny soratra sy ny siansa maha olona eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny fanolorana vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra mendrika indrindra, ao amin’ny sampana teny japoney. Andiany fahenina izao fanohanana ireo mpianatra teny japoney izao.

Avy amin’ny orinasa japoney, Sumitomo Corporation, ny fanampiana, noho izy nanapa-kevitra ny handray anjara amin’ny fampiroboroboana ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy i Japon. Tsy vao izao fa efa nanomboka tamin’ny taona 2016 ny fanomezany vatsim-pianarana.

Tanterahin’ity orinasa ity isaky ny enim-bolana izany ary miisa 10 ny mpianatra mahazo tohana isaky ny andiany. Miasa amin’ny firenena 65 maneran-tany ny Sumitomo ary anisan’ireo i Madagasikara, amin’ny alalan’ny orinasa Ambatovy ka izy no manana petra-bola be indrindra ao.

Marihina fa hanatrika ity lanonana fanolorana vatsim-pianarana ity ny ambasadaoro japoney, monina sy miasa eto amintsika.

Landy R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique