Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiainam-pikambanana: efa mikendry ny fifidianana ben’ny Tanàna ny Ifi

Fiainam-pikambanana: efa mikendry ny fifidianana ben’ny Tanàna ny Ifi

Mijery lavitra. “Miaina kihon-dalana indray isika manomboka izao ka hifidianana ben’ny Tanàna. Hotazonina ny fiaraha-miasa eo anivon’ireo fikambanana marobe mivondrona ho amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy mivadi-belirano amin’ny filoha Rajoelina izahay ary hiaraka hanatratra tanjona amin’ny filoha ho fanatanterahana ny IEM sy ireo velirano miisa 13”, hoy ny filohan’ny Isika fikambanana miara-dia amin-dRajoelina (Ifi), Ramanambintana Richard, omaly tetsy amin’ny Arena. Nambarany fa antom-pisian’ny fikambanana izany ho an’ireo manaiky ny fandaminana. Notsiahiviny avy eo fa tsy nijanona tamin’ny fanohanana ny filoha Rajoelina tamin’ny fifidianana ny ifi fa nitohy amin’izao fahazoana ny maro anisa eny anivon’ny Antenimierampirenena izao. “Tratra ny tanjona satria nahay niara-niasa sy nifanohana ary nampivondrona ny hery izahay nampandany ireo kandidà miara-dia amin’ny filoha sy nahazo ny tsodranony”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique