Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanjakana –Jirama – CGHV: fifanarahana hamokarana  herinaratra vaovao

Fanjakana –Jirama – CGHV: fifanarahana hamokarana  herinaratra vaovao

Anatin’ny fandaharanasan’ny fanjakana ho fanatsarana ny famokarana herinaratra ny fifanarahana vita vao haingana amin’ny orinasa CGHV (Compagnie Générale Hydroélectrique de Volobe). Mialoha ny fampandehanana ny tetikasa Volobe, anisan’ny anjara andraikitry ny fanjakana amin’izany fifanarahana izany ny fanadihadiana, fanamboarana tambajotra mampifandray toby maromaro eo anelanelan’Antananarivo sy Toamasina.

Mandrafitra ny fomba fanatanterahana izany tetikasa izany ny CGHV, vitaina mialoha ny faran’ny volana jona, ary miaraka manao sonia ny fifanarahana fividianana ny vokatry ny herinaratra ny fanjakana, ny Jirama, ary ny CGHV mialoha ny faran’ny volana aogositra 2019.

Fiaraha-miasa hahafahana manohy ny fanatsarana ny famatsiana herinaratra ny fanamboarana foibe famokarana angovo  vaovao, mety hatomboka amin’ny 2020 ary ny fampiasana izany mety ho any amin’ny faran’ny taona 2023, ho tombontsoan’ny mponina sy ny Jirama. Hanampy ny fampiasam-bola efa ataon’ny Jovena (Vondrona Axian) sy ny Colas, ny SN Power sy ny Africa 50. Ny famokarana herinaratra avy amin’ny rano ao Volobe izao manome 120 Mw, ka mety hahatratra 750 GWh isan-taona amin’izay fotoana izay.

Ho afaka hamatsy herinaratra amina tokantrano 360 000 ny tetikasa manomboka ny taona 2023. Nambara fa angovo madio ny azo avy amin’izany, tolotra ampy ho an’i Toamasina sy Antananarivo.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.