Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Besakoa: jiolahy telo voasambotry ny polisy

Besakoa: jiolahy telo voasambotry ny polisy

Taorian’ny famotorana nataon’ny polisy tamina jiolahy iray tratran’ny fokonolona tao Besakoa, Toliara, no nahafahan’izy ireo nisambotra jiolahy roa hafa, ny alakamisy vao maraina teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy, jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana sy ny fanaovana herisetra ao Besakoa, Toliara, ry zalahy ireto. Avy nanendaka tovolahy iray ry zalahy tamin’io fotoana io. Lasa nandositra avy hatrany izy ireo taorian’ny fanendehana, afaka niantso vonjy rahateo ilay niharan’ny fanendahana ka raikitra ny fifanenjehana. Noraisim-potsiny ny jiolahy iray amin’ireo tompon’antoka tamin’ny fanendahana. Nomarihin’ny polisy fa vao avy nivoaka ny fonja ny roa amin’ireto jiolahy ireto, kanjo izao niverina nanohy ny asa ratsiny izao indray. Ho fanamafisana ny fandriampahalemana ao Toliara dia namory ireo sefom-pokontany ny kaomisera ao amin’ny kaomisarian’i Toliara mba ho fanatanterahana ny politikam-panjakana momba ny fandriampahalamena fanakaikezan’ny polisy ny vahoaka sy ho fametrahana sy hanamafisana ny fandriampahalemana eny ifotony.

CMS sy J.C

Les commentaires sont fermées.