Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy mazava ny fitantanana: takin’ny mpikambana ny hialan’ny mpitantana ny Otiv Boeny

Tsy mazava ny fitantanana: takin’ny mpikambana ny hialan’ny mpitantana ny Otiv Boeny

Misy tsy mazava. Nanao fanambarana narahina sonia marobe ny solontenan’ny mpiasa eo anivon’ny Otiv Boeny, ny 7 jona teo, manoloana ny tsy fisian’ny mangarahara sy ny fitotongan’ity mpampindram-bola ity. Miantso vonjy izy ireo amin’ny alalan’ny taratasy ho an’ny tompon’andraikitra isan-tokony, manomboka amin’ny filoham-pirenena ary mitaky ny hialan’ny mpitantanana. “Tsy azo ara-dalàna ny karamanay nanomboka ny volana marsa 2017 afa-tsy ny 50% ihany… Efa nanalana ny Irsa sy ny Cnaps 100% anefa izany ary tsy azo raha tsy nanaovana fitakiana mivantana tany amin’ny mpisaforaharaham-panjakana (inspection de travail) sy ny CSBF. Tsy tonga any amin’ny Canps sy ny sampandraharaha hetra akory anefa izany zavatra notapahina izany… Isaky ny enim-bolana vao mahazo io antsasa-karama 50% io nefa miteraka fahasahiranana ho anay mpiasa izany”, hoy ny fanambaran’izy ireo. Noraisin’izy ireo ho ohatra amin’izany raha misy marary na zanaka maty, na tsy mianatra na koa ny sakafo sy ny hofan-trano…

Nitotongana sy tsy mandeha amin’ny laoniny… 

Notsiahivin’izy ireo  fa nitotongana tanteraka ny Otiv  ary tsy misy mandeha amin’ny laoniny, nanomboka ny taona 2016 manoloana ny fitantanan’ireo tompon’andraikitra ao. Misongadina amin’izany ny trano tsizarizary, ny karama tsy voaloa araka ny tokony ho izy. “Mitovy amin’ny magazay fitahirizan’entana ny Otiv eto aminay… Simba avokoa ny fitaovana rehetra, toy ny solosaina, ny seza, ny moto, ny latabatra, ny fiara… Tsy misy ny fitakiana ny trosa tsy voaverina. Tsy misy ny tatitra mazava atao amin’ny mpiasa. Milefa mihitsy ireo lehibe rehefa tonga eto, matetika… Mahazo vola ny mpikambana sasany rehefa mifanaraka amin’izy ireo…”, hoy ny ampahan’ny fanambaran’ireo solontenan’ny mpiasa sy ny mpikambana. Manantena izy ireo fa ho voavahan’ny filoham-pirenena izao olana izao.

Synèse  R. 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique