Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

TGC 15 taona: nandray roa ny « Tsara loatra… ! »

TGC 15 taona: nandray roa ny « Tsara loatra… ! »

Amin’ny maha kolontsaina azy, naneho ny fahaiza-mifehy ny zavakanto ny Tanà Gospel Choir (TGC). Amin’ny maha hira evanjelika, namoha sy niteraka aingam-pahy ho an’ireo nijery azy ny fampisehoana « Tsara loatra… ! », notontosaina tao amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena Imahamasina, ny faran’ny herinandro teo.

Fampiaraham-peo tsy misy tomika. Rindran-javamaneno mahasarika tsy miato. Tononkira, manandra-bavaka sy midera ny halehiben’ny voninahitr’Ilay Mpahary… Ireo no henon’ny mpijery ka naneken’izy ireo fa « tsara sy kanto ary mendrika ny fampisehoana « Tsara loatra… ! » ».

Raha ny fandaharanasan’ity tarika ity, hivoaka tsy ho ela ny rakikira fahefatry ny TGC. Hotohizana amin’ny fitetezana firenena any ivelany izany.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.