Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tatitry ny Unicef: manambady aloha loatra ny zazalahy eto amintsika

Laharana fahatelo i Madagasikara amin’ny fampanambadiana aloha loatra zazalahy amin’ny taha 13%, araka ny tatitra navoakan’ny Unicef momba ny fanambadian’ny zazalahy. Nampanambadiana mialoha ny faha-15 taony ny iray amin’ny dimy amin’izy ireo. Maneran-tany, mahatratra 23 tapitrisa ireo iharan’izany toe-javatra izany. 115 tapitrisa kosa ireo tovolahy sy ny lehilahy nampanambadiana tao anatin’ny fahazazany eran’izao tontolo izao. 82 ny firenena nanaovana ny fanadihadiana momba ny fampanambadiana ny zazalahy izay mahazo vahana aty Afrika atsimon’i Sahara, any Amerika Latina sy any Karaiba ary any Azia Atsinanana. “Mamono tsikelikely ny zaza ny fidirany amin’ny fanambadiana satria mibaby andraikitra tsy sahaza ny taony izy amin’ny famelomana sahady fianakaviana”, hoy ny tale jeneralin’ny Unicef, i Henrietta Fore. Tsy afaka manohy fianarana sy mivelatra amin’ny asa nosafidiny any aoriana izy ireo. Mahatratra 765 tapitrisa maneran-tany ny ankizy efa ao anatin’ny fanambadiana izay tsy manaja ny zo hianatra sy hivelatra.

Vonjy   

 

Les commentaires sont fermées.