Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Seminera momba ny « dopage »: 41 mianadahy nahazo fiofanana

Seminera momba ny « dopage »: 41 mianadahy nahazo fiofanana

Nisitraka fampiofanana? ny 7 sy 8 jona lasa teo, ny teknisianina sy mpanazatra miisa 41 mianadahy avy amin’ireo federsiona mpikambana ao anatin’ny fanatanjahantena olympika. Nifarana, tamin’ny fomba ofisialy, ity fiofanana ity, mahakasika indrindra ny Seminera nasionaly momba ny « dopage ». Teny amin’ny Villa Zafitsambo Ivandry ny nanaovana ny lanonana famaranana, ny asabotsy lasa teo. Marihina fa tamin’ny alalan’ny vaomiera medikaly, eo anivon’ny Komity olympika malagasy (Kom), izany. Natao indrindra ho fiarovana ireo atleta malagasy ny tanjona amin’izao fiofanana izao. Nambaran’ny filohan’ity vaomiera ity fa tokony hampihatra izany avokoa ny atleta rehetra eo anivon’ny federasiona olympika. Nanamafy ihany koa ity farany fa ny taranja fibatana fonjamby ihany hatreto ny mampihatra ity “dopage” ity, efa nanomboka nanao izany ihany koa ny taranja atletisma.

Ho fiatrehana sy ho fanomanana sahady ireo fifaninanana iraisam-pirenena miandry antsika ato ho ato ny nanaovana izao, toy ny “Lalaon’ny Nosy”, “Lalao afrikanina” sy ny “Lalao Olympika” ka hahafahan’ireto teknisianina sy mpanazatra ireto mampita sy mampianatra mivantana ireo atleta ny mahakasika ity « dopage » ity. Mbola tsy isan’ny tratra nandray na nihinana fanafody na zavatra mampatanjaka aloha, hatreto, ny atleta malagasy, saingy isorohana ny mety ho tranga tsy ampoizina, aleo misoroka toy izay mitsabo”,araka ny nohamafisin’ny sekretera jeneralin’ny Kom, Andriamanarivo Harinelina.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.