
“Raha tsy miroso amin’ny fanaraha-dalàna isika, hisy ny fepetra horaisin’ny Ceni: ny tsy fanomezana intsony ny alalana sy fankatoavana an’ireo fikambanana na malagasy na iraisam-pirenena ny fanaraha-maso ny fifidianana, izay tsy nahatonga tatitra amin’ny fotoana ara-dalàna aty amin’ny Ceni momba ny fanaovany ny fanaraha-maso ny fifidianana.” hoy ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo. Tapitra ny 6 jona ny folo andro voalazan’ny lalàna, tsy maintsy anateran’ny mpanara-maso fifidianana nahazo fankatoavan’ny Ceni amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana depiote teo. Efatra amin’ireo fikambanana malagasy sy iraisam-pirenena miisa 39 nahazo fankatoavana sy alalana tamin’izany no mba nahatonga tatitra, ny herinandro teo. Noho izany, manao antso fanairana ireo mpanara-maso fifidianana ireo hanara-dalàna ny Ceni.
Ilaina ny fanaovana tatitra
Antony tena ilàna ny fanaovana ny tatitra ataon’ny fikambanana manara-maso ny fifidianana aty amin’ny Ceni ny fanarahan-dalàna. Voalazan’ny lalàna fa folo andro aorian’ny andro fandatsaham-bato ny tokony handefasan’ireo mpanara-maso nahazo alalana sy fankatoavana ny tatitra ny fanaraha-maso ny fifidianana nataony any amin’ny Ceni. Tsy maintsy manao tatitra ny Ceni isaky ny mahatontosa fifidianana ka hilazany ny tokony ho fanatsarana ny fifidianana manaraka. Noho izany, ilaina ny tatitr’ireo mpanara-maso, hahitana ny mety hotohizana sy hohatsaraina tamin’ny fifidianana. Hahitana ny tsy mety tokony hovaina sy hitadiavana hevitra tsy hiverenany intsony amin’ny ho avy.
R.Nd.
Les commentaires sont fermées.