Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: 36 matetika tarehimarika fampiasa itorina fahabetsahana

Asa na fifandrifin-dresaka fotsiny ka izay ny tena isan’ireo zandary naiditra am-ponja tao anatin’ny  fehi-potoana voafaritra, na fomba nampiasain’ny jeneraly Ravalomanana sekretera-panjakana miadidy ny zandarmaria hisarihany ny sain’ny mpiara-monina mba ahatsapa  ny ezaka ataon’ny fiadidin’ny zandarmaria momban’ny fanadiovana ao an-tokantranony. Ho an’ny ankamaron’ny olona dia manambara izany fa entitra ny fampiharana lalàna ary tapitra eo ny fanaovana antrano antrano. Tsy mety anefa fa mandimby ny fahafaham-po teo amin’ny fahenoana an’ilay fanambaran’ny jeneraly-minisitra injay misy fanontaniana manitikitika ny saina : moa ve mitory fahampin’ny fanadiovana ao anatiny ny fahabetsahan’ny loto ailika aty ivelany ? Matoa misy fako ao izay ny loto, ao koa izay ny fahavononana hanao fanadiovana mahery vaika raha misavovona ny fako voaangona ho ariana.

Afaka antenaina hampihorohoro an’izay hafa azon’ny fakapanahy izany fihetsiky ny fitantanana izany ka hanakana azy tsy hirona any amin’ny fampisehona toetra tsy mendrika ny tsy fandeferana amin’izay iray mihoa-pefy. Izany anefa dia mety hisarika fotsiny an’ireo tànana zatra mitsotra fitandremana bebe kokoa eo am-panefana zava-maloto. Ny mpiray toby maika fa ny mpiray dia samy mahafantatra daholo ny tahan’isan’ny mpandingana fitsipika eo anivon’ny sehatra misy azy. Raha tany aloha folo isan-jaton’ ny fanaovana eloka no voaenjika sy niharan’ny sazy mendrika an’izany, ka ankehitriny mananika ny dimampolo isan-jaton’ny fanaovan-dratsy no tratran’ny famelohana, tsy ilaozan’izay hihevitra fa fampitombona zato isan-jato ny fitandremana alohan’ny fanotana no ahafahana manohy ny toetra ratsy.
Amin’izao fotoana izao ny fanaovana ezaka no fototry ny fanentanana, na izany aza tsy hatao ho fandanin-dresaka fotsiny na ho fandanin’andro amin’ny fampisehona fihetsiketsehana, ny vokatry ny ezaka no andrasan’ny mponina. Momban’ny fandriampahalemana no marary amin’ny vahoaka, ny zandary sy pôlisy ampin’ny tafika tànana no antoka fampiharana ny pôlitika sy tetika apetraky ny fitondrana hampodina ny fandriampahalemana, raha tsy ao amin’ireo anefa ny fahavononana sy fahadiovana naman’ny miankina amina hazo boboka ny fanantenan’ny vahoaka. Tato ho ato anefa, asa na ny mpitatitra vaovao no be lazao, na mirongatra na manao tsipaky ny miala aina ny asa ratsy ary nifindran’ny aretina ireo sampana sy rantsana ametrahana fitokisana, matetika ny fitrangan’ny fitazonana na miaramila na zandary na pôlisy voarohirohy ao anatin’ny fanefana eloka maloto dia maloto hatramin’ny vono olona tsy vitan’ny hoe sady tsy andrariny no tsy ara-dalàna fa mitory habibina mihitsy. Tsy fanomezan-dalàna anjakazaka ny fanomezan’ny Filoha hiraka hamerina ny fandriampahalemana arak’izay haingana amin’ny fomba entitra miaraka amina fahavitrihana.


Léo Raz       

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique