Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hafatra Pantekoty: mitaky fandraisana andraikitra hamahana ny olana ny FFKM   

Hafatra Pantekoty: mitaky fandraisana andraikitra hamahana ny olana ny FFKM   

Mbola ao anatin’ny fahasahiranana lalina ny ankamaroan’ny Malagasy amin’izao… hafatra Pentekostan’ny FFKM amin’ny tokony handraisana andraiakitra manoloana ny olana.

Manentana ny Malagasy handray ny andraikitra tandrify azy avy ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM), araka ny hafatra Pentekosta navoakany, ny faran’ny herinandro teo. Hiaro sy hiasa mahery eto amin’ny firenena ny Fanahy Masina. Hitondra antsika ho amin’ny fahafahana marina amin’ny endriny rehetra sy manontolo izany ka hitondra fiadanana ho an’ny valalabemandry.

Ialao ny toe-dratsy mba ho voavela heloka, dia handray ny fanomezan’Andriamanitra ny Fanahy Masina, araka ny hafatra. Ny Fanahy Masina irery ihany no azo antoka hitondrantsika ho amin’ny fanasitranana sy hanome hery antsika hiatrehana ny hasarotry ny fiainana andavanandro. Izay ihany koa no hirosoantsika amin’ny lalam-pihavanana amin’Andriamanitra sy amintsika Malagasy.

Misy ny fototry ny olana

Mampahatsiahy ny fiangonana fa ny fikomiana amin’ny mpahary sy mpanavotra antsika no fototry ny olana mahazo antsika amin’izao. Tsy vitantsika irery ny fiaikena ny fahotantsika ka tsy mihavana amin’ny mpahary antsika sy ny namantsika. Fa asan’ny Fanahy Masina irery ihany izany (Joh. 6: 8). Heniky ny karazana aretina mamely ny vatana ny fanahin’ny firenena.

Manolotra ny arahaba ho an’ny rehetra nahatratra ny Pentekosta ny fiangonana, araka ny tenin’ny vahoaka nihaino ny tenin’ny Apostoly Petera ny andron’ny Pentekosta voalohany no tian’ny fiangonana hitarihana ny sain’ny rehetra amin’izao vanin’andro diavina izao : “Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin’i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahavana, inona no tokony hataonay? “ (Asa 2: 37)

Randria

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique