Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tratra teo am-panaovana fanafihana: andian-jiolahy nahatrarana basy Kalachnikov telo

Tratra teo am-panaovana fanafihana: andian-jiolahy nahatrarana basy Kalachnikov telo

Niainga tamin’ny fahatrarana jiolahy iray nihazona basy Kalachnikov telo no nahasamborana ireto jiolahy telo hafa ireto tao Mangarivotra Toamasina, ny alarobia lasa teo izay voarohirohy tamina fanafihana mitam-piadiana…

Olona telo, indray voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany ao Tanambao II Toamasina, ny alarobia lasa teo tao Mangarivotra Atsimo Toamasina izay voarohirohy amina resaka fanafihana mitam-piadiana. Raha ny fanazavan’ny lehiben’ny kaomisaria ao Tanambao II, ny 8 febroary 2019, tratra nanao fanafihana mitam-piadiana tao Toamasina ny jiolahy iray ny 8 febroary 2019 lasa teo. Basy Kalachnikov telo no tratra tany aminy nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. Rehefa natao ny fanadihadiana dia nanoro ny namany izy ka fantatra tamin’izany fa i Antoine Juils dia isan’ny nandray anjara mivantana tamin’ny fitifirana sy namono nahafaty ilay polisy tao Toamasina, ny volana janoary 2019 lasa teo. Teo am-panafihana mitam-piadiana niaraka tamin’ireo namany ity jiolahy ity tamin’io fotoana io. Nitohy ny fanadihadiana ary nahazo angom-baovao ny polisy ka ny alarobia lasa teo, jiolahy telo indray tratran’ny polisy tao Mangarivotra Atsimo, Toamasina ka isan’izany i Antoine Juils izay efa namoahana didy fikarohana (Avis de recherché) afakomaly. Mbola nahatrarana kara-panondro sandoka ihany koa i Juils tamin’ny fotoana nahatrarana azy. Mitohy ny fanadihadiana ireto jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana ireto.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.