Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mba hirotsaka amin’izay ny fiovana sy fanovana…

Mba hirotsaka amin’izay ny fiovana sy fanovana…

Pentekosta indray… Toy ny isan-taona, fahatsiarovana ny nirotsahan’ny Fanahy Masina tamin’ireo Apostoly mpianatr’i Kristy. “Fa hahazo hery ianareo rehefa hilatsahan’ny Fanahy Masina, ka ho vavolombelona hanambara Ahy eto Jerosalema sy eran’i Jodia mbamin’i Samaria ary hatrany amin’ny faran’ny tany.” (Asa 1: 8, Diem).

Aina ny Fanahy Masina, hery, hetsika… Mitondra ho amin’ny fanaovana ny tsara sy marina, araka an’Andriamanitra sy ny sitrapony. “(…) Fanahy fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany sady tsy fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo anilanareo Izy sady ho ao anatinareo.” (Johany 14:17, Diem)

Aiza ho aiza amin’ny tsirairay izay Fanahy Masina izay amin’izao? “Efa nandray ny Fanahy Masina ve ianareo fony vao nino?”, hoy ny Apostoly Paoly tamin’ny mpianatra sasany tany Efesosy. “Dia novalian’ireo hoe: Tsy renay akory aza fa misy ny Fanahy Masina.” (Asa 19: 2, Diem). Mba tsy ho fombafomba na fahazarana fotsiny.

Eny, na amin’izao fiainana izao sy eny tontolo eny aza: amin’ny fotoana rehetra, na aiza na aiza, na inona na inona atao… “Diniho ny tenanareo, ka izahao toetra raha velona amin’ny finoana tokoa ianareo na tsia.” (2 Korintianina 13: 5, Diem). Tsy tokony hiseho ho azy amin’izay atao sy aleha ary iainana àry ve izay ao anaty?

Inona no ampahatsiahivana izany rehetra izany amin’izao Pentekosta izao? Toy ny isan-taona… Amin’ny firosoana amin’ity hoe fiovana sy fanovana eto amin’ny firenena, mba tena andeha amin’ny asa ve izay finoana izay? Zava-poana ny finoana tsy arahina asa. Toy izany koa ny asa tsy misy finiavana sy fitiavana, firaisam-po sy saina…

Hisy amin’izay ny fiovana sy fanovana, arakaraka ny ataon’ny tena ihany. Ho fanahy iray no hanetsika ny firenena, ndeha atao hoe fitiavan-tanindrazana, hetahatem-pandrosoana, fifampitsinjovana… Fisaintsainana izao: inona no mitondra ny tena, aiza ary mankaiza… ? Mba hirotsaka amin’ny tsirairay ny fahatsiarovan-tena…

Rafaly Nd.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique