Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo, araka ny fampahafantarana nataon’ny Fiadidiana ny Repoblika fa omena enim-bolana ireo eo anivon’ny minisitera sy ireo mikirakira ny lamina ara-bola, hijery izay vahaolana matotra ahafahan’ireo mpiasam-panjakana miasa lavitra mandray ny tambin-karamany ara-potoana. Maro ireo mpiasam-panjakana miasa lavitra tsy mandray ara-potoana ny karamany na voatery mandeha an-tongotra alavitra vao afaka mandray ny tambinkaraman’izy ireo.

Hahery be ny ranomasina vokatry ny fiavian’ny alon-drano avy any atsimo-andrefana hatramin’ny 12 Jona. Mety hahatratra 3 hatramin’ny 4,5m ny haavon’ny onja, indrindra ny amin’ny morontsiraka atsimon’ny Nosy. Hahazo hery ihany koa ny rivotra ary mety hahatratra 50 ka hatramin’ny 60km isan’ora izany manomboka ny alahady ho avy izao izay mifandray amin’ny anticyclone ao atsimon’i Madagasikara.

Les commentaires sont fermées.