Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jeneraly Ravalomanana Richard: “Zandary 36 no efa naiditra am-ponja”

Jeneraly Ravalomanana Richard: “Zandary 36 no efa naiditra am-ponja”

Noho ny tsy fanarahana ny fitsipi-pitondran-tena ifampifehezana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, zandary 36 no fantatra fa efa naiditra am-ponja. Ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Ravalomanana Richard no nanambara izany, omaly, tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava.

Nandritra ny famoriana ireo zandary sy ireo mpiasa sivily miasa ao amin’ny Seg sy ny teo anivon’ny fibaikoana, omaly teny amin’ny Toby Ratsimandrava noho ny fankalazana ny faha-59 taona ny fitsingerenan’ny fetim-pirenana malagasy sy ny fahazoana ny fahaleovantena ary fiomanana amin’ny fetin’ny Foloalindahy malagasy no namerimberenan’ny Jly Ravalomanana ny fitondran-tena tokony hananan’ireo zandary. Midika ho fanimbana endrika ny zandarimariam-pirenena ny fanaovana izany ka antony nanindriany mafy ireo olona eo ambany fifehezany momba ny fitondran-tena mandritra ny fanatanterahan’ireo zandary ny asany. Nohamafisin’ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ity fa ilaina ny fanohizana ireo ezaka tsara efa vita toy ny ady amin’ny fakana an-keriny mba hamongorana ireo olona zatra manao izany asa ratsy izany. Nambaran’ny Jly Ravalomanana Richard fa zandary miisa 36 no efa nampidirina am-ponja noho ny tsy fanarahan’izy ireo ny fitsipika ara-pitondran-tena ifampifehezana. Nanome toky izy fa tsy mitazam-potsiny ny fitondram-panjakana fa mijery akaiky ireo tombontsoa ho an’ireo rehetra manatontosa antsakany sy andavany ireo asa nankinina taminy, indrindra fa ireo zandary azon-tsampona nandritra ny fanatanterahana ny andraikiny. Fantatra ihany koa fa niakatra teny amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly ny alatsinainy lasa teo ny raharaha nahavoarohirohy zandary roa tamina raharaha fakana an-keriny ny oktobra 2018. Nomelohin’ny fitsarana sazy mihatra roa taona an-tranomaizina ireto zandary ireto. Fa ankoatra izany, mbola misy mpitandro filaminana hafa (zandary sy polisy) karohina ihany koa izay voarohirohy amin’ity raharaha fakana an-keriny ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.