Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanamarihana ny  26 jona: nofoanana ny fiaraha-misakafo eny Iavoloha

Fanamarihana ny  26 jona: nofoanana ny fiaraha-misakafo eny Iavoloha

Niova tanteraka sady ao anatin’ny politikan’ny fitsitsiana. Tsy  ho tahaka ny teo aloha ny hetsika sy ny fanamarihana ny  faha-59  taona niverenan’ny Fahaleovantena amin’ity indray mandeha ity.

 “Tsy hisy ny  fiaraha-misakafo tahaka ny teo aloha eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha amin’ny 26 jona. Hatao amin’ny 2 ora tolakandro ny matso eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina…”, hoy ny filohan’ny komitin’ny fankalazana ny fetim-pirenena , ny Jly Randrianantoandro,  omaly. Nambarany fa  tafiditra ao anatin’ny fanovana  izany.  Fanovana toe-tsaina, fihetsika, fahaiza-miaina,  araka ny nambarany.

Ny helikoptera sy ny vondron-kery manokana…

Mba afaka manaraka ny fizotry ny matso eny Mahamasina ny any amin’ny kaominina  sy ny faritra rehetra  any amin’ny alalan’ny fahitalavitra na onjampeo satria hatao ny tolakandro  izany hetsika ataon’ny  eo anivon’ny Foloalindahy. Izany hoe samy mankalaza ny  fety avokoa  ny maraina.

Anisan’ny  hampiavaka ity indray mandeha ity koa ny fampisehoana manokana ataon’ny vondron-kery manokana avy amin’ny tafika.  Eo koa fandraisana anjaran’ny miaramila mivondrona aty amin’ny ranomasimbe Indianina (Fazoi) amin’izany hetsika izany. Manampy ireo ny fampisehoana  ireo angidimby vao nafaran’ny fitondrana.

Anisan’ny vahiny ho avy ny filoha Kagame

Ankoatra ireo,  anisan’ny vahiny manan-kaja hanatrika izany fetim-pirenena  izany ny filoha Roandey, Paul Kagame. Manampy izany ireo masoivoho vahiny sy ny avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena eto amintsika.

Tsiahivina fa maherin’ny 2 000 hatramin’ny 3 000 any hatrany ireo vahiny asaina  hiara-kisakafo eny amin’ny lapan’Iavoloha amin’ny vanim-potoana tahaka  izao. Mandany volabe sy solika izany, ankoatra ny mety ho kolikoly any ambadika any “bizna”, amin’ireo natao hiantoka izany tamin’ireo fitondrana nifandimby.

Etsy andaniny, tokony hazava sy fantatra ny vola tokony ho lany amin’ny lanonana tahaka ireny.  Tokony hampahafantarina ny rehetra koa ny hamindrana izany vola izany  amin’ity indray mandeha ity na natao hanampiana  sehatra tahaka ny ahoana ?

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.