Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady amin’ ny tsimatimanota: takin’ny SMM ny hanafoanana ny fitsarana avo – HCJ 

Ady amin’ ny tsimatimanota: takin’ny SMM ny hanafoanana ny fitsarana avo – HCJ 

Ialana amin’ireo  dingana samihafa  sy ny fahasarotana.  “Mila foanana ny Fitsarana avo na (Haute cour de justice-HCJ), natao hitsarana ireo tompon’andraiki-panjakana ambony : ny filoham-pirenena, ny lehiben’ny Andrimpanjakana, ny  praiminisitra, ny minisitra”, hoy ny filohan’ny  Sendikan’ny mpitsara (SMM) Clément Jaona. Nohitsiny  fa tena betsaka loatra ary tena sarotra ny andinindininy sy ny dingana tsy maintsy arahina amin’ny  fanenjehana ireny olobe  ireny. Anisan’izany ny fankatoavan’ny depiote maro anisa eny Tsimbazaza na tsia izany fanenjehana izany. Avy eo vao miverina any amin’ ny HCJ  ny raharaha.  Ho azy, lasa  maty momoka  sy tsy misy tohiny  ny raharaha raha miainga amin’ny  tranga miseho amin’izao fotoana izao nefa hametraka ny tany tan-dalàna isika. Anisan’ny noraisiny ho ohatra tamin’izany ny raharaha momba ilay mpandraharaha Razaimamonjy Claudine,  anisan’ny maha voarohirohy ny Praiminisitra teo aloha, Mahafaly Solonandrasana sy ireo tompon’andraiki-panjakana ahina ho mpiray tendro amin’izany. « Tokony hahafahana avokoa ireo notanana am-ponja momba io raharaha io satria ny tompon’antoka voalohany tsy migadra.  Tsy tokony hisy mihitsy izany fitsarana manokana izany fa mitovy avokoa ny rehetra”, hoy ihany izy.

Trondro vaventy,  filoha sy praiminisitra…

Nanteriny fa tokony hovana ny lalàmpanorenana sy ny lalàna momba ny HCJ, tsy hifanitsaka amin’ny Antenimierampirenena raha tsy hofoanana io rantsam-pitsarana iray io. Tsiahivina fa antontan-taratasy lehibe ahitana trondra vaventy miisa14 ny eo am-pelatanan’ny HCJ, saingy tsy misy tohiny sy maty momoka hatreto. Mahakasika filoham-pirenena sy praiminisitra ary minisitra ny sasany amin’ireo. Anisan’ny ahina ho very anjavony koa ny momba ny Praiminisitra lefitra Reboza Julien, ahina  ho mpiray tendro amin’ny fivarotana  ny “Villa Elisabeth”.  Eo koa ireo tale sy sekretera jeneraly any anivon’ny minisitera tafiditra amin’ny raharaha maloto nefa miriaria any noho io resaka HCJ  io ihany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.