Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpanao trafikana rongony sy “héroïne”: iray nidoboka am-ponja, iray nalefa amin’ny hopitalin’ny marary saina

Mpanao trafikana rongony sy “héroïne”: iray nidoboka am-ponja, iray nalefa amin’ny hopitalin’ny marary saina

Taorian’ny nanolorana ireto roa lahy voalaza fa mpanao trafikan-drongony sy “ héroïne” tamin’ny fampanoavana, ao Toamasina, afakomaly, fantatra fa naiditra vonjimaika am-ponja ao Ambalatavoahangy ny iray. Ily faharoa kosa, naiditra ao amin’ny hopitalin’ny marary saina, ao amin’ny Hopitalibe.

Nidoboka vonjimaika am-ponja (MD) ao Ambalatavoahangy, afakomaly, i Mahavita Michel Jackson, 28 taona, iray amin’ireo voarohirohy ho mpanao trafikana zava-mahadomelina tratran’ny Tafika malagasy 1/RM3 tao ambany tetezana ao an’Analankinina Hopitalibe Toamasina. Nalefa hotsaboina ao amin’ny hopitalin’ny marary saina etsy amin’ny Hopitalibe kosa ilay namany antsoina hoe Ramarokoto Lovaniaina Tahina, 30 taona. Fantatra, araka ny loharanom-baovao voaray, fa marary saina izy ity satria manaporofo izany ny nampisehoan’ny ray aman-dreniny (olona nitaiza azy) ny karatra olona marary saina.

Araka ny efa nitaterana azy teto, saika fototry ny tsy fandriampahalemana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina efa mahazo vahana eto amintsika, hatramin’ny “héroïne” hafarana avy any ivelany izay mahasarika ny tanora maro ankehitriny ary tena mahery vaika tokoa.

Zanaka mpitandro filaminana…

Mitaky fandraisana andraikitra goavana avy amin’ny ray aman-dreny izany rehetra izany. Voalazan’ny loharanom-baovao marim-pototra hatrany fa zanaka mpitandro filaminana ity tovolahy iray naiditra any amin’ny hopitalin’ny marary saina ity. Monina any ivelany ny reniny noho ny fisaraham-panambadiana eo aminy sy ilay mpitandro filaminana rain-janany. Vokany, lasa manaotao fahatany sy mivarilavo amin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina toy izao ny niafaran’ilay tovolahy. Lalana ifamezivezen’ireo teratany vahiny mpanao itony  trafikana “héroïne” itony koa eto amintsika ary efa malaza any ivelany any izany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy. Tokony hamafisina hatrany ny fanaraha-maso ireny teratany vahiny miditra sy mivoaka eto amintsika ireny.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.