Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mitranga mihemotra!

Mitranga mihemotra!

Tsy kilalao fa raharaham-pirenena ity ka tsy tokony hanaovana andranandrana sy tsy handraisana fanapahan-kevitra hentitra. Tsy sanatria lelon-jaza ka mitranga mihemotra isaky ny hanao zavatra… Nampiroaroa ny sain’ny besinimaro ny fanapahan-kevitra na koa ny  resaky ny mpitondra fanjakana tato ho ato. Santionany ary anisan’ny mbola resabe hatramin’ny fiandohan’ny herinandro ka hatry ny omaly ny momba ilay andro tsy iasana ny 4 jona teo. Efa navoaka mialoha araka ny didim-panjakana ny volana febroary io daty io, saingy nisalasala tsy tena nanana ny fanapahan-kevitra ny minisitera rehefa sahirana amin’ny mety  haha tsinana ny volana ireo mpino silamo. Narahin’ny fanambarana indray izany fa hampiharina ihany ilay didy arakaraka ny tapaky ireo mpino ireo… Efa aty amin’ny andro farany, alatsinainy vao niteny ny minisitra. Naninona tsy natao zoma izany fanambarana izany? Samy efa mba manana ny fandaharam-potoany ny rehetra, indrindra fa ny sehatra tsy miankina, ny mpiasa tena na ny mpianakavy, ny sekoly…

Io indray koa fa nifangaro voraka ny fetin’ny mpino silamo sy ilay hetsika “ora iray ho an’ny tontolo iainana”. Hita taratra ny tsy fahampian’ny serasera sy ny fampahalalam-baovao teo anivon’ny minisitera nisahana izany. Andro iray mialoha ny 5 jona vao nambara fa tokony hiato avokoa ireo milina na motera rehetra miteraka setroka. Anisany ny fiara sy ny moto… Tetsy Analakely ihany ny nanaja izany ora niatoana izany. Ny hafa, gaga sy taitra ankoatra ireo tsy nahalala mihitsy. Nitohy tahaka ny isan’andro ny fifamoivoizana tany ivelan’Analakely. Nanampy izany ny rodorodon’ireo mpino silamo miaraka amin’ny fiara sy moto teny rehetra teny tamin’io ora amin’ny 9 ka hatramin’ny 10 ora io. Tsy voalamina sy tsy voarindra fa atao fahatany fotsiny ihany mba hilazana fa nanamarika izany ora izany isika… Manginy fotsiny ny fanehoan-kevitra any anaty tambajotran-tserasera any noho ity resaka mandroso mihemotra sy tsy am-piheverana ity. Ampahany ihany ireo fa raha ny zava-misy, tsy afa-bela ny fitondrana amin’ny ankapobeny na ireo tompon’andraikitra aty ambany aza no voatondro molotra. Fiainana efa iaraha-mahita sy miaina izao mbola asavorovoron’ny  sasany  indray koa noho ny tsy fahamatorana amin’ny mitranga mihemotra!

Synèse R. 

 

 

 

Les commentaires sont fermées.