Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Barea sy i Kenya: hanitsy ireo lesoka ny mpanazatra Dupuis

Kitra – Barea sy i Kenya: hanitsy ireo lesoka ny mpanazatra Dupuis

Betsaka ny resaka sy ny tsikera ary ny fanamarihana avy amin’ireo mpijery sy ny teknisianina malagasy, taorian’ny lalao nataon’ny Bareaan’i Madagasikara sy i Luxembourg, ny alahady lasa teo. Nanana ny fomba fijeriny ihany koa ny mpanazatra ny ekipam-pirenena, i Nicolas Dupuis.

Nambarany fa hatsaraina ny zavatra efa nety. Anisan’ireny ny famonoam-baolina efa maha velombolo satria tsy mitazom-baolina ela intsony ny lohalaharana fa mandaka avy hatrany raha vao manitsy ny tsatoby. Haingana ihany koa tolotra ao amin’ny fanafihana ka nahitana ireo baolina telo tafiditra, tamin’iny lalao iny.

Samy nahavita ny asany avokoa ireo irakiraka mpanafika sy mpiaro ka afaka miaina tsara ny lohalaharana. Na izany aza, nomarihiny fa tsy maintsy misy amboarina ny fiarovantena. Indraindray, diso ambany loatra ry zalahy ka afaka mandaka avy hatrany ireo mpanafika.

Anisan’ny hanaovana fanitsiana goavana ihany koa ilay fahaizana mitantana ny fotoana sy ny fifantohana, hatramin’ny fiafaran’ny lalao. Fatiantoka be ho an’ny Barean’i Madagasikara mantsy ny tsy fahafehezana izany, nandritra iny lalao natao ny alahady lasa teo iny, ka nahafatesan’i Luxembourg ny baolina roa, tao anatin’ny 2 mn, fe-potoana fanampiny.

Mbola nahazoana kiana tamin’ireo mpijery ihany koa ny amin’ireo mpiandry tsatoby. Inoana fa hahitana fiovana ireo rehetra ireo, amin’ny lalao firahalahiana faharoa, hikatrohana amin’i Kenya, ny zoma 7 jona ho avy izao ao amin’ny kianja Robert-Bobin. Marihina fa hanomboka amin’ny 9 ora alina eto Madagasikara io lalao io.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.