Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fec fahadimy: tonga eto amintsika ny FMI

Noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny 3 jona teo, ny delegasiona avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), notarihin’i Haris Charalambos Tsangarides. Anton-dian’izy ireo ny hanombana ny fandaharanasa toekaren’i Madagasikara, vatsin’ny FMI vola, ao anatin’ny Fampindrambola nitarina nohamoraina (Fec), andiany fahadimy. Nilaza ny praiminisitra fa « manan-danja ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny FMI satria manara-maso akaiky antsika ireo mpiara-miombon’antoka teknika sy vola (PTF) amin’ny fampandrosoana toekarena hisian’ny fitomboana toekarena ».

Azo antoka ny fampandrosoana

Nanome toky koa izy fa azony antoka ny hisian’ny fampandrosoana, ny fitomboana toekarena eto Madagasikara sy indrindra, ny fitohizan’ny fiaraha-miasa toy izao ary hanokatra fiaraha-miombon’antoka vaovao.

Ho an’i FMI, nanamafy ny voalazan’ny praiminisitra i Haris Charalambos Tsangarides fa matoky izy raha jerena ny vokatra vitan’ny fanjakana malagasy ary vonona hanohy ny fiaraha-miasa ny FMI.

Njaka A.

 

Les commentaires sont fermées.