Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy adala ny vahoaka… efa naneho ny safidiny

Tsy adala ny vahoaka… efa naneho ny safidiny

Mahabe adihevitra ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tamin’ny fifidianana depiote teo. Tsy nampoizina? Na sambany eo amin’ny tantara… Ny Antony? Samy manana ny filazany. Amin’izany, tsy firy ny manome lanja sy ny mandika fa efa fanehoan-kevitra ny tsy fandehanana mifidy: safidy.

Misy antony fototra sy lehibe ao, matoa nitovitovy fihetsika sy fijery ny maro anisa manerana an’i Madagasikara: tsy tonga nandatsa-bato. Nefa tsy nisy nanohitra fifidianana, na nitaky ny hanemorana izany ahay. Eo amin’ny lafiny politika, ireo tsy nifidy no manana ny maro anisa.

Mila mandini-tena ny tsirairay, na toy inona filaza. Tsy ampy na tsy maharesy lahatra izay hoe anton’ny fahalainan’ny olom-pirenena nifidy: faharatsian’ny toetr’andro, fihetsika amam-pomban’ny kandidà sasany tamin’ny fampielezan-kevitra, ny Antenimierampirenena teo aloha very hasina…

Very zo izay tsy nifidy? Tsy nahefa adidy… Ny tsy azo lavina, misy lafin-javatra tsy mety na tsy eken’ny vahoaka intsony ao. Lany andro, ohatra, ny fizarana fanomezana na vola, na fampisehoana, na ny fisandohana andraikitra hoe hanao an’itsy na iroa na tsy tena asan’ny tena aza…

Mila dinihina sao efa tsy sitraky ny maro anisa tsy nifidy koa ny didy aman-dalàna, ny tsy fiantsorohana andraikitra amin’ny tsy fanajana sy ny tsy fampiharan-dalàna, ny fomba fanaovana politika, ny toetra amam-pihetsiky ny mpanao politika, ny fiheverana ny vahoaka ho zazabodo sy bado…

Mila fanorenana ifotony ny tontolo politika? Ao anatin’ny tsy fifampitokisana tsinona… Sao mby amin’ny ohabolana sinoa iny fahalainan’ny mpifidy handatsa-bato iny: “Raha mampiasa olona ianao, tsy tokony hisalasalana aminy; raha misalalasa aminy ianao, tsy tokony hampiasa azy.”

Aleony tsy mifidy amin’izay tsy itokisany? Tsy adala ny vahoaka… efa naneho ny safidiny. Ny hoaviny no mila heverina: tsy vitan’ny filazana izay antony sy vokany, fanamarinan-tena, fanilihana andraikitra, fanomezan-tsiny… Inona ny hatao hiarenana sy hiorenana? Na mila manapa-kevitra…

Rafaly Nd.

 

 

Les commentaires sont fermées.