Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Tsara loatra…!”: hanamarika ny faha-15 taony ny TGC

“Tsara loatra…!”: hanamarika ny faha-15 taony ny TGC

Raha nisy ny nitondra rivo-baovao amin’ny fiderana an-kira, nanana ny anjara birikiny ny Tana Gospel Choir na ny TGC…

Nanomboka tamin’ny fitiliana ireo mpihira handrafitra tarika iray, tsy nanavahana finoana fa natambatry ny finiavana hanandratra ny fiderana an-kira, nampian’ireo mpitendry matihanina nitovy fironan-tsaina izany, ny taona 2004. 15 taona aty aoriana, manana ny toerany ary manohy ny asa iandraiketany ny TGC.
Ho fanamarihana izay, hanolotra ny “Tsara loatra…!”, fampisehoana goavana hotontosaina ny alahady 9 jona izao, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena, ny TGC. “Hitetezana kely ireo vanim-potoana nolalovana, amin’ny alalan’ireo hira taloha sy ireo vao haingana, io. Hanolorana fofony amin’ireo aingam-panahy vaovao koa anefa”, hoy ny filazan’i Fidy Rabearisoa, mpitarika ny TGC.
Fantatra fa mandray roa ny lohateny nosafidina amin’ity fampisehoana ity. “Tsara loatra…!”, araka ilay hira amin’ny maha fiderana azy. “Maneho ny ezaka amin’ny lafiny kalitao koa anefa ankoatra ny momba ny fanahy: artistika, teknika miampy ny traikefan’ny TGC nandritra ny 15 taona sy ny an’ny Ivenco mpikarakara”, hoy hatrany i Fidy.
Ireo nahatsikaritra, nahazo sombiny teny amin’ny zaridainan’Andohalo ny faran’ny herinandro teo. Aorian’io 9 jona io, hiatrika ny famoahana ny rakikira fahefatra, amin’io volana jona io ihany, ny TGC. Hanaraka avy eo ny fitetezam-pirenena any Eoropa, hatramin’ny volana aogositra.

Zo ny Aina

 

Les commentaires sont fermées.