Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Madagascar Cubing Open »: sambany no hisy fifaninanana “cube”

« Madagascar Cubing Open »: sambany no hisy fifaninanana “cube”

Hotontosaina rahampitso, etsy amin’ny Skate Park Antanimena, ny fifaninanana voalohany amin’ny “cube”. Lalao be mpankafy, ary na kely na lehibe dia variana amin’ireny “cube” ireny avokoa. Antony nahatonga ny Malagasy association of Cubers( MAC) hikarakara ny fifaninanana “Madagascar Cubing Open”  andiany voalohany izany. Nanasa teknisianina mpikambana ao amin’ny World Cube Association mba handray ny zava-bita tsara indrindra aty Madagasikara, hametraka izany ao anatin’ny tranonkala ofisialy izay ekena maneran-tany ny fikambanana, araka izany.
Anjatony eo ireo hifaninana hilalao “cube”, anio. Hisy sokajy efatra izany, ahitana ny “cubes 2X2, 3X3, 4X4 ary 5X5. Ireo efa zatra no mandray anjara, fa tsy ireo vao hianatra akory. Afaka manatrika kosa ireo liana, na tsy hifaninana aza.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.