Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – « diviziona nasionaly1 »: hanao famaranana ny Fosa Juniors sy ny As Adema

Kitra – « diviziona nasionaly1 »: hanao famaranana ny Fosa Juniors sy ny As Adema

Hiady ny anaram-boninahitra ho tompondaka  2019  ny Fosa Juniors élite avy any amin’ny ligin’i Boeny sy ny As Adema avy amin’ny ligin’Analamanga, taranja baolina kitra. Manana isa 14 ny ekipan’i Bob Kootwijk raha isa 12 kosa ny an’ny ekipan’i Jhonny. Miendrika lalao famaranana ny hitranga amin’ny andro fahafito farany, hihaonan’ny As Adema sy ny Fosa Juniors, hatao etsy Mahamasina, ny alahady 9 jona. Tsy maintsy mitady fandresena ny As Adema raha te hahazo ny amboara.  Ampy ho an’ny solontenan’i Boeny   ny ady sahala. Raha hiverenana ny voka-dalao,  nivoaka ho mpandresy  tao Tsiroanomandidy, tamin’ny isa 1 no ho 0 ny As Adema nifandona tamin’ny Ajesaia.  Nahatafiditra io baolina tokana io i Aro ho an’ny ekipan’ny seranam-piaramanidina.

Resy ny  CNaps

Tany Mahajanga indray, nandresy tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Fosa Juniors nanoloana ny CNaPS Sport. Vao roa minitra monja nanombohan’ny fihaonana, efa nahatafiditra baolina ny FJE, tamin’ny alalan’i Santatra. Namaly ny tompondakan’Itasy avy  eo, saingy narian’i Tendry izany  baolina tsara azony izany. Taty amin’ny minitra faha-29, nahazo “penalty” ny Fosa Junior, rehefa voafingan’i Ando kapiteny tao anaty faritra tsy azo ivalozana i Besna. Tsy nihambahamba i Baggio teo nampiditra ny baolina ary io isa 2 no ho 0 io no nentina niala sasatra. Taty amin’ny minitra faha-59 nilalaovana kosa ny nahatafiditra ny baolina tokana ho azy ny CNaPS Sport tamin’ny alalan’i Lalaina.  Nisaraka 2 no ho 1 io  ny roa tonta.

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.