Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

JazzKids: manana ny hoaviny tsara ny jazz

JazzKids: manana ny hoaviny tsara ny jazz

Niaiky ireo izay nahita ! Tontosa ny seho voalohany. Nosokafana tamin’ny Jazz Kids, tao amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny fandaharam-potoan’ny fampisehoana, tafiditra ao anatin’ny hetsika Jazz@Tohatohabato 2019. Voafehin’ireo kilonga madinika avokoa ny zavamaneno notsofina sy notendren’izy ireo. Fihetsika niteraka fanehoan-kevitra avy hatrany teo amin’ny mpijery : « Manana ny hoaviny mamiratra tsara ny tontolon’ny jazz eto Madagasikara ». Tsikaritra nandritra ity seho voalohany ity sahady ilay fahamatorana eo amin’ireo ankizy. Na teo amin’ny fomba fiseho sehatra, indrindra tamin’ny fanatanterahana ireo feon-kira notendreny na notsofiny. Notohizana, omaly, tamin’ny Jazz VIP ny fandaharam-potoana.

Hiavaka ny Jazz Quartiers, hotontosaina anio, satria hivoaka kely eny Sabotsy Namehana Avaradrano ireo mpiangaly azy ity. Hiala eto an-dRenivohitra amin’ny 7 ora sy sasany maraina ny seho ka hifarana eny an-toerana. Hotohizana amin’ny Jazz Street izany ny 1 jona, izao. Toy ny nahazatra hatramin’izay, hanana endrika fifanakalozana ny fihaonana eto. Ao ireo efa manana traikefa matanjaka, fa tsy vitsy koa ireo tanora te hirotsaka sy hiditra lalindalina kokoa ao anatin’ny jazz. Hivelatra ho an’ny mpitendry jazz sy ireo mpanakanto nasaina kosa ilay sehatra lehibe ny 2 jona izao. Hitazana izany avy eo amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina kosa ny mpijery.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.