Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Songadina an-tsary

Songadina an-tsary

Nangina tanteraka ny biraom-pifidianana manerana ny Nosy. Anisan’izany ny tetsy EPP Antanimbarinandriana.

Niavaka kely fa sady notononina ny anaran’ny mpifidy vao mandatsaka ny vato ny mpifidy.

Tetsy amin’ny EPP Ambanilalana, maro ireo kara-pifidianana nipetraka fotsiny fa tsy tonga ireo mpifidy.

Nitsidika biraom-pifidianana maro ireo avy ao amin’ny Ceni sy ireo vahiny mpanara-maso.

Ireo mpanara-maso, ny Safidy, nanao fanambarana. “Manodidina ny 23%, ny taham-pahavitrihana”, hoy izy ireo.

Nanohy ny asany tahaka ny andavanndro ireo mpitatitra.

Tsy nahasakana ireo mpivarotra ny andron’ny fifidianana.

Nandraisan’ny fokonolona fepetra ka noroahina hivoaka eny ivelany ireo bajaj, tafiditra tao anatin’ny faritry ny birao fandatsaham-bato, ao amin’ny EPP Tsimenatse II, Toliara I.

Vitsy ireo mpanatrika teo amin’ny fanisam-bato, tsy tahaka ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, ny andron’ny fifidianana.

Vitsy ireo mpanatrika teo amin’ny fanisam-bato, tsy tahaka ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, ny andron’ny fifidianana.

Nahitana mpitandro filaminana avokoa ny manodidina ny ankamaroan’ny biraom-pifidianana.

Sary: Fanou sy Mamiherison

Les commentaires sont fermées.