Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vohitsara sy Depot 4: andian-jiolahy ravan’ny polisin’ny Fip

Vohitsara sy Depot 4: andian-jiolahy ravan’ny polisin’ny Fip

Manao tohivakana ny fahatrarana ireo andian-jiolahy mpamaky trano gaigilahy nampitondra faisana ny tao an-dRenivohitry ny faritra Atsinanana taorian’ny fahatrarana ireo andian-jiolahy namaky tranombarotra mpamongady sy ny acces banque…

Andian-jiolahy miisa dimy raindahiny amin’ny vaky trano no tratran’ny polisin’ny Fip tao amin’ny fokontany Vohitsara sy Depot 4 ao Toamasina, ny alarobia lasa teo. Vaky trano sy fanendahana no nisamborana ireto andian-jiolahy ireto, araka ny fanazavan’ny polisin’ny Fip. Mbola nahitana entana halatra tao amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. Toy ny fahitalavitra, baffle, vorona. Nohamafisin’ny polisy fa  voasokajy ho isan’ny faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ny ao amin’ny fokontany Vohitsara sy Depot 4 Toamasina izay vao nitrangana vonoan’olona, vao tsy ela akory izay. Tao amin’ity fokontany ity no nahitana ny fatin’ireo telo mianaka nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana. Nambaran’ny kaomisera Rafaliarivo Jules nandritra ny fampahafantarana ireto mpamaky trano sy mpanendaka ireto fa vokatry ny fiaraha-mientana teo amin’ny polisin’ny Fip sy ny fokonolona ao an-toerana no nahatrarana ireto jiolahy ireto. Manao antso avo hatrany ny polisy ao Toamasina amin’ny fifanomezan-tanana amin’ny mponina amin’ny alalan’ny fampitam-baovao mba hahafahana misoroka mialoha ny asa ratsin’ireny jiolahy ireny. Niaiky ny heloka vitany ireto jiolahy ireto nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.