Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vaovao tambatra

Hisokatra ny 22 jona ho avy izao ny taom-piotazana lavanila any Atsimo Atsinanana. Hiatrehana izany, manomana atrikasa lehibe ho an’izay voakasik’ity seha-piharina ity ny tambajotra mpitrandraka lavanila. Tanjona ny fiarovana ny vokatra hampanarahan-dalàna ny rehetra, anisan’izany ny fitandroana ny fandriampahalemana. Ho an’ny mpamboly sy ny mpandraharaha, ny fikirakirana ny lavanila ny hahazoana kalitao manara-penitra na  « taux de vanilline » ankatoavin’ny tsena iraisam-pirenena. Manentana ny fiaraha-miasa amin’ny faritra sy ny mpitandro filaminana koa ireo mpandraharaha ireo. Tsiahivina fa saika simba ny vokatra lavanila any amin’ny faritra Atsinanana noho ny fiotazana tsy ara-potoana sy ny halatra.

Varotra ny atao amin’ny fizahantany ka tanjona ny hampiditra mpizahatany 500 000 mahery mialoha ny taona 2023. Mankalaza ny faha-15 taona ny ONTM (Office national du tourisme de Madagascar) amin’ity taona ity, miandraikitra ny fampivoarana ny fizahantany nankinina taminy. Hanao atrikasa lehibe ny ONTM, ny volana jona izao eny amin’ny CCI Ivato hahatongavana amin’izany tanjona izany. Betsaka ny sakana mbola tsy mahatonga ny mpizahatany maro eto amintsika, nefa tsy andraikitry ny ONTM irery ny misahana izany, toy ny fitandroana ny fandriampahalemana, fanamboaran-dalana, tsy fahampian’ny fandraisam-bahiny manara-penitra. Ny atsy Maorisy, nandresy ny zava-bita tany aloha, raha nandray mpizahatany 1,4 tapitrisa, ny taona 2018.

 

 

Les commentaires sont fermées.