Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Nidoboka am-ponja vonjimaika, ny alatsinainy teo, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny vehivavy iray 44 taona voarohirohy no nangala-bola 300 000 Ar tao an-tsenan’ny kaominina  Morafeno, ny 17 mey lasa teo. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ity vehivavy ity raha nikasa haka vola tao anatin’ilay kitapon’olona niantsena tao an-tsena. Manana ekipa miara-manao asa ratsy aminy ity vehivavy ity, araka ny tatitra nampitain’ny polisy ao Marovoay.

Notondrahina zanaka olom-boafidy ny asidra ka nitarika fahajambana maso ny tovovavy mampianatra ao Nosy Varika. Nametraka fitoriana ilay mpanabe taorian’ny fivoahany ny hopitaly ary voaporofon’ireo mpitsabo fa tsy mahita intsony ny mason’ilay niharam-boina. Niakatra fampanoavana ny raharaha, ny 2 mey lasa teo ka nahazo sazy mihantona 5 taona sy mandoa onitra 1 tapitrisa Ar ireo zanaka olom-boafidy nahavanon-doza tamin’ity mpampianatra ao amin’ny Epp Mandanivatsy Nosy Varika ity. Disadisam-piarahamonina no nahatonga izao fanondrahana asidra izao.

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique