Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Seho momba ny zaridaina: fihariana iray vitsy mpahafantatra

Seho momba ny zaridaina: fihariana iray vitsy mpahafantatra

 

Fahombiazana ny andro voalohany ny amin’ny fampisehoana momba ny zaridaina, nisokatra ny 23 mey teo ao amin’ny Alliance française Antananarivo, Andavamamba, ary mifarana anio. 1000 mahery ny mpitsidika tamin’io andro voalohany io nizaha ny traikefan’ireo mpamboly zanakazo, mpamboly, mpikojakoja tany ho an’ny fambolena maharitra (permaculture), mpamboly karazam-boninkazo, legioma, na voankazo (horticulture). Samy matihanina amin’ireo sehatra ireo avokoa ny navorin’ny Alliance française ho fanta-bahoaka, satria  fihariana iray lehibe nefa vitsy mpahafantatra.

Fihariana azo tradrahina tsara, indrindra ho fiatrehana izao fiovan’ny toetr’andro izao. Ankoatra ny maha fambolena azy, eo koa ny varotra fitaovana fampiasa sy kojakoja samihafa. Mandritra io fampisehoana ao amin’ny Alliance française io ny fifanakalozan-kevitra sy fakan-kevitra ho an’izay te hiditra amin’izany sehatra izany.  Torolalana iray ny fanatonana ny CTHA (Centre technique horticole d’Antananarivo), eny Ankerana,  raha te handalina misimisy kokoa momba izany karazam-boly izany.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.