Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kolikoly, hosoka, fanararaotam-pahefana: sarona ny filoha lefitry ny Sénat, préfet, mpiasan’ny fananan-tany

Kolikoly, hosoka, fanararaotam-pahefana: sarona ny filoha lefitry ny Sénat, préfet, mpiasan’ny fananan-tany

 

Anisan’ireo trondro vaventy koa ! Nalefan’ny Bianco any amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly  (Pac), ny  alakamisy teo ny raharaha fanodinkodinana fananam-panjakana  nisehoana hosoka ka nahavoasaringotra  olobe maromaro: filoha lefitry ny Antenimierandoholona, “Prefet”…

Niditra an-tsehatra ny Bianco sampana Toamasina ary nanadihady taorian’ny naharaisan’izy ireo fitarainana momba ny resaka tany antsoina hoe « Pointe à Larrée », ao amin’ny kaominina Manompana, distrikan’i Soanierana Ivongo, ny volana jona 2017. Araka ny loharanom-baovao, fantatra tamin’izany fa ahina ho   voasaringotra ny tompon’andraiki-paritry ny fananan-tany (Cirdom) sy ny eo anivon’ny  fandrefesan-tany (Cirtopo) ao Fanoarivo Atsinana, Analanjirofo. Tsy nanara-dalàna sady nisehoana hosoka ary  koa  fanamparam-pahefana tao ambadik’ity resaka tany ity. Nivoitra tamin’ny  fanadihadian’ny Bianco fa nisehoana hosoka sy fampiasana hosoka ny  raharaha. Teo koa ny  fanodinkodinana fananam-panjakana sy ny  fanamparam-pahefana nataon’ny lehiben’ny  faritra teo aloha sady filoha lefitry ny Antenimierandoholona.  Ny “Prefet” sy ireo  mpisafon-draharaha eo anivon’ny fananan-tany sy  ny  fandrefesan-tany. Ny lehiben’ny sampan-draharaham-paritry ny tontolo iainana any an-toerana sy ny avy amin’ny fandrefesan-tany. Manampy azy ireo ny tale kabinetran’ny faritra Analanjirofo teo aloha miaraka amin’ny ben’ny Tanàna iray sy sefo fokontany iray. Izany  hoe tambajotra  iray manontolo mihitsy izao ahina ho tafiditra amin’ity resaka kolikoly avo lenta  ity.

Mbola  iandrasana ny HCJ sy ny Antenimiera

Efa any am-pelatanan’ny Pac ny raharaha amin’izao fotoana izao, saingy mbola andrasana koa ny momba ireo olobe, trondro vaventy, filoha lefitry ny Antenimierandoholona  sy ilay “Prefet” noho ny maha olobe azy ireo ka anjaran’ny Fitsarana avo (HCJ) ny mandray an-tanana ny raharaha.  Mbola iandrasana ny fijoroan’ny Antenimieram-pirenena koa anefa izany.

Tsiahivina  fa anisan’ny “Trondro vaventy”  ahina ho tafiditra amin’ny resaka kolikoly  ary niseho masoandro tamin’ny vaovao, ny herinandro teo koa ny momba  ireo  masoivohontsika any Washington –  Etazonia. Andrasana daholo  ny tohin’izany…

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.