Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kianja Barikadimy Toamasina: tsy ho ela dia ho vita ny fotodrafitrasa

Fotoana vitsy sisa dia ho azo ampiasaina ary handray lalao isan-tokony, ny kianja Barikadimy Toamasina. Araka ny nambaran’ireo teknisianina, misahana ny fanamboarana ity fotodrafitrasa, efa ela tsy niasa ity, ny bozaka artifisialy sisa ny hany mbola asiana fanarenana kely.

Ny tsy fampiasana ity fotodrafitrasa ity, nandritra ny fotoana ela, izay efa naharitra roa taona tany ho any ny antony, araka ny fanamarihan-dRamananjatovo Heritiana Marius. Araka izany, mila hilalaovana mandritra ny efa-bolana vao tena hipetraka tsara amin’ny laoniny ireo bozaka artifisialy. Maro ireo famenoana na «remplissage» no very, izay tena ilaina amin’ny famaranana ny asa ireo “billes cryogénique” sy “purefil” », tena lafo vidy satria hiaka farany. Io no mampiavaka ity kianja ity.

Na izany aza, mbola betsaka ireo dingana tsy maintsy arahina toy ny (désherbage), sy ny (décomptage), hiverenan’ny (permeabilité) sy ny (brossage…). Tsy nanadino, ny nisaotra, ny  ny filoha Andry Rajoelina, tamin’ny fandraisany fanapahan-kevitra, hanamboarana indray ny kianja.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.