Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – N1A 2019: fantatra ireo nahazo isa ambony

Basikety – N1A 2019: fantatra ireo nahazo isa ambony

Noho ny tsy fahafahana manatanteraka hetsika amin’ity faran’ny herinandro ity, naroso omaly ny lalao famaranana teo amin’ny fiadiana ny amboaran’i Diana, taranja basikety. Marihina fa niova kely ny fitsipi-dalao teo amin’ny N1A tamin’ity taona 2019 satria izay tompondaka amin’ny “coupe du Diana” no ho solontenantsika amin’ny CCCOI na ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondakan’ny ranomasimbe Indiana. Eo amin’ity fifaninanana N1A ity hatrany, efa fantatra ny isa azon’ny ekipa tsirairay isam-bondrona sy ny filaharana ankapobeny, taorian’ity dingana voalohany ity. Hitohy amin’ny dingana faharoa kosa ny fifaninanana ka izay ekipa valo mendrika indrindra no hanohy hatramin’ny farany, hahafahana mamoaka ny klioba tompondakan’i Madagasikara. Mitàna ny laharana voalohany eo amin’ny sokajy lehilahy, ny ekipan’ny GNBV Vakinankaratra, manana isa 12 sy ny ekipan’ny CosPN Analamanga, manana isa 11. Eo amin’ny sokajy vehivavy kosa, ny ekipan’ny SBBC Boeny, manana isa 9 sy ny Mb2All Analamanga, manana isa 8 kosa no mitàna ny lohany. Ireto ekipa efatra ireto, araka izany, no niatrika ilay « Coupe du Diana » izay notanterahina omaly. Noho ny fahataran’ny ora nanatanterahana ireo lalao roa ireo, hampitaina amin’ny fotoana manaraka ny valin’ireo lalao famaranana ireo.

Mi.Raz

Isa azo tamin’ny dingana 1, N1A

Lehilahy: Vondrona A: Cospn (11), Mb2All (9), Ascut (9), Sebam (9), 2bc (8), Cnaps (7)/Vondrona B: Gnbc (12), Cosmos (11), Ascb (11), Cosfa (8), Ecbba (7), As Fanalamanga (6).

Vehivavy: Vondrona A: Mb2All (8), Jea (6), Tamifa (6), Asa (6), Abbs (6), Jsb (00)/Vondrona B: Sbbc (9), Ankaratra (9), Bc Est (5), Ascut (5), Fandrefiala (00), Mega (00).

Les commentaires sont fermées.