Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Asan-dahalo: ho avy ny helikoptera ho an’ny ao Menabe

Asan-dahalo: ho avy ny helikoptera ho an’ny ao Menabe

Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ny vahoakan’i Menabe ny Filoha Rajoelina, nandritra ny fandalovany tao Morondava, ny alakamisy teo. Isan’ireo faritra mahasarika mpizahatany vahiny sy malagasy maro ny ao amin’ny faritra Menabe. Mirongatra noho izany ny asan-dahalo ka lasibatra ireo mpizahatany, indrindra amin’iny lalana hihazo ny tsingin’i Bemaraha iny. Mitaraina ny mpandraharaha misehatra ao anatin’ity asa mitondra mpizahatany ity. manoloana izany, nampanantena ny vahoakan’i Menabe ny Filoha Rajoelina fa hapetraka ao amin’ny faritra Menabe ny iray amin’ireo helikoptera azon’ny fanjakana hiadiana amin’ny asan-dahalo. “Efatra izao ny helikoptera efa azontsika ary ho feno folo ny isan’ireo helikoptera ireo. Hapetratsika eto Menabe ny iray amin’ireo helikoptera ireo mba hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana”, hoy ny Filoha nandritra ny lahateniny tamin’ny vahoakan’i Morondava. Mbola nohamafisiny tao anatin’ny lahateniny hatrany ny fisian’ireo toerana fakana aina isaky ny 100 km eny amin’ny lalam-pirenena. Hisy mpitandro filaminana hapetraka miaraka amin’ny fiara 4×4 amin’ireny toerana fakana aina ireny, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena. Ao anatin’ny velirano napetraky ny Filoha Rajoelina rahateo ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique