Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analakely: vazaha saika niharan’ny fitsaram-bahoaka fa nandona olona

Soa ihany fa tonga haingana ny polisy. Raikitra ny fifanjevoana, omaly hariva, teny Analakely. Fiara 4×4 iray miloko fotsy nentina vazaha iray no voalaza fa nandona olona teo Analakely. Nitsoaka avy hatrany anefa ity teratany vahiny ity rehefa nandona ilay olona, saingy tsy navelan’ny olona hitsoaka izy. Izay olona manatona azy dia voatifitra big boss avy hatrany ka teo no vao mainka nahatezitra ny olona, araka ny fanazavana voaray. Tafatsoaka ihany anefa izy ka nihodina nihazo ny lalana mankany amin’ny Pochard kanjo efa nambenan’ny olona ary niverina teo Analakely indray. Voasakan’ny olona teo amin’ny avenue indray izy raha nikasa hitsoaka hihazo ny lalana mankeny Ambohijatovo. Nentin-katezerana ny olona ka nitoraka ny fiarany ka vaky ny fitaratry ny fiara rehetra. Fotoana fohy taorian’izay tonga teny an-toerana ny polisy rehefa nahita ny fifanjevoana ka nitondra haingana ilay vazaha nankany amin’ny biraon’ny polisy ao Tsaralalana. Efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ity teratany vahiny ity noho ny hatezeran’ireo olona marobe. Tazonina anaovana famotorana ao amin’ny polisy ao Tsaralalana, araka izany ity vazaha nandona olona ity.

J.C

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique