Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy nahaloa ny hofan’ny toerana ny mpikarakara: nihantona ny hetsika « Le Zoma de Tanà » eny amin’ny Parvis

Tsy nahaloa ny hofan’ny toerana ny mpikarakara: nihantona ny hetsika « Le Zoma de Tanà » eny amin’ny Parvis

Nahanton’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny fampiasan’ny mpikarakara ny hetsika momba ny varotra « Le Zoma de Tanà » eo amin’ny Parvis Analakely, araka ny fanazavan’ny talen’ny seraseran’ny kaominina, Raharivelo Tiana Harilaza, omaly teny amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely. Nambarany fa nanomboka ny taona 2018 no nisy ny fifanarahana eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny mpiandraikitra ny « Le Zoma de Tanà » amin’ny fampiasana ny Parvis hanaovana isam-bolana varotra sy fampirantiana. Nandritra  ny herintaona sy tapany anefa, tsy notanterahin’ny  Le Zoma de Tanà ny fifanarahana amin’ny fandoavana ny vola hofan’ny toerana amin’ny kaominina. Nampahatsiahy hatrany ny orinasa misahana ny hetsika ny kaominina ary nandeha tamin’ny ambaratonga rehetra izany. Nisy ny taratasy fanomezana fe-potoana nataon’ny kaominina handoavana ny vola nefa tsy nanaraka izany ny mpikarakara ny hetsika. Tsy nisy ny fanefana ny hofan’ny toerana taorian’ny fampahatsiahivana sy ny ala nenina ka nampiato ny fifanarahana natao taminy ny fiadidiana ny Tanàna. Na eo aza ny fampiatoana ny « Le Zoma de Tana », mbola mitohy hatrany eo amin’ny Parvis Analakely ny hetsika varotra fanao isam-bolana ao anatin’ny fanomanana ny fetin’ny reny.

Nilaza kosa ny mpisolovava ny mpikarakara ny « Le Zoma de Tanà » fa efa manana taratasy avy any amin’ny « tribunal aministratif » izy ireo mampiato ny fanapahan-kevitry ny kaominina nefa tsy nety nandray izany ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina. « Volabe antapitrisany maro ny lany nikarakarana ny varotra saika hanomboka omaly hatramin’ny asabotsy izao nefa rava ny hetsika », hoy ihany ny fanazavany. Mpivarotra manodidina ny 150 ny mpandray anjara amin’ny « Le Zoma de Tanà », isam-bolana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.