Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Hapetraka amin’ny fomba ofisialy, anio eny amin’ny Esplanade Ankatso, ny filoha vaovao ny oniversiten’Antananarivo, ny profesora Ravelomanana Mamy, taorian’ny nahalany azy ka hitantanany ny oniversite mandritra ny telo taona ho avy. Fanamby napetrany tao anatin’ny fampielezan-kevitra notanterahiny ny fanovana sy hanavaozana ny fomba fitantanana ny oniversite eto Antananarivo. Mpampianatra ao amin’ny fakiolten’ny fitantanana sy ny toekarena ary ny sosiolojia izy ary efa misahana fampianarana any ivelany ihany koa.

Homarihina eny amin’ny HJRA Anosy, anio, ny Andro iraisam-pirenena ho fanafoanana ny aretina mamany lava vokatry ny faharovian’ny tatavia eo amin’ny vehivavy mandritra ny fiterahana. Hisy fanomezana tohana ho an’ny vehivavy nodidina aretina mamany lava eny an-toerana ao anatin’ny hetsika. Nanambara ny minisitra fa hisorohana ny fahatongavana amin’ny aretina mamany lava, entanina ny vehivavy hisafo sy hiteraka eny amin’ny tobim-pahasalamana. Hanangana hopitaly 14 vaovao ny fanjakana hanampy ireo efa am-perinasa handray ny fandidiana ny vehivavy saro-piterahana.

Les commentaires sont fermées.