Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fandaharanasa Defis sy ny ONN: tanjona ny fahavitan-tena amin’ny sakafo

Fandaharanasa Defis sy ny ONN: tanjona ny fahavitan-tena amin’ny sakafo

Miara-miasa ny fandaharanasa Defis sy ny ONN, hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Afaka mamokatra ny tantsaha rehefa ampy sakafo ara-pahasalamana sy misy otrikaina.

Nampahafantarina, omaly, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fandaharanasa fampiroboroboana ny fambolena andraisan’ny rehetra anjara (Defis) sy ny Ofisim-pirenena misahana ny sakafo (ONN). Mifantoka amin’ny lohahevitra maromaro ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Fampirisihana sy fanentanana ny reny sy ny zaza amin’ny lafiny fahasalamana sy ny fahadiovana. Fanatsarana ny sakafoan’ny isam-pianakaviana, ny sakafon’ny zaza, amin’ny alalan’ny sakafo ara-pahasalamana sy misy otrikaina. Fanamafisana ny paikady hisitrahan’ny fianakaviana ny fandaharanasa Defis, mandavantaona, sakafo tsara kalitao sy ampy ary hisian’ny ambim-bava. Fihinanana sakafo karazany samihafa sy be otrikaina.

Tafiditra ao anatin’ny asan’ny Defis ny hanajariana lemaka 4 500 ha. Tanjona ny hampitomboana ny vokatra, indrindra ny voka-bary, hisian’ny fahavitan-tena amin’ny sakafo, araka ny voafaritra ao anatin’ny veliranon’ny filoham-pirenena sy ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE).

Tantsaha miisa 270 000

Mitentina 350 tapitrisa Ar ny tetibola ampiasaina amin’ity taona 2019 ity, ho an’ny tokantrano miisa 2 500 ka vehivavy sy tanora ny 1 500. Ao anatin’ny asa hatao ny fanodinam-bokatra sy ny fitahirizana azy, ny fanaovana tanimbolin’anana sy legioma miisa 75. Mifameno amin’ny asa hafa ataon’ny Defis izany, toy ny fanampiana vola ny tantsaha marefo sy sahirana (MCV), ny fanabeazana mikasika ny fitantanam-bola (GVEC) ary ny fananganana toerana fanodinam-bokatra, hoentina hamatsiana vokatra voahodina ny tsena (gari). Vokatra andrasana ny hampihenana tarehimarika 15 ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo maharitra, ato anatin’ny 10 taona, any amin’ireo faritra valo, iasan’ny Defis, ahitana tantsaha miisa 270 000.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.