Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Seranam-piaramanidina: omanina hiatrika loza voajanahary

Seranam-piaramanidina: omanina hiatrika loza voajanahary

Eritreritra heverina ho ratsy loatra ny faminavinana trangana loza voajanahary goavana. Saingy, raha sanatria misy izany tokoa moa, hitohy amin’ny hoe « ahoana ny hamonjena ireo olona traboina sy ny handefasana ireo kojakoja samihafa ilainy? », ny eritreritra. Ny tsara fiomanana, tsy tampohin’ny loza!

Izay indrindra ny anton’ny atrikasa antsoina hoe « Get Airports Ready for Disaster » na Gard, tanterahina any amin’ny seranam-piaramanidin’i Toamasina, nanomboka ny alatsinainy teo hatramin’ny zoma izao. Mikarakara izany ny vondron’orinasa Deutsche Post DHL sy ny biraon’ny Firenena mikambana ho an’ny fandrindrana ny raharaha mahakasika ny maha olona (OCHA), ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud), miaraka amin’ny birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza voajahanary (BNGRC).

Mandritra izao atrikasa izao, homanina tsara ny seranam-piaramanidina amin’ny fandraisana ireo karazana vonjy voina sy ny fanampiana, raha misy trangana loza voajanahary goavana. « Rehefa tsara omana ireo seranam-piaramanidina, afaka miasa ara-dalàna ireo mpiasa sosialy ary ho betsaka kokoa ny aina voavonjy », hoy ny solontena maharitry ny Pnud eto amintsika, i Marie Dimond.

Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny vondron’orinasa Deutsche Post DHL, seranam-piaramanidina miisa 50, any amin’ny firenena 25, ny efa nanatanterahan’izy ireo atrikasa Gard toy izao. Fotoana iray hanatsarana ny fandrindrana ny asa eo amin’ireo fikambanana samihafa, mandray anjara amin’ny vonjy voina, raha misy loza voajanahary goavana, ihany koa ity atrikasa ity.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.