Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahaiza mifidy !

Mahaiza mifidy !

Zo sy adidin’ny olom-pirenena ny mifidy. Toy izany koa ny fifanentanana mba samy tsy ho diso anjara amin’izany. Raha vinavinaina ho ambany kokoa no ho ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy amin’ity 27 mey ity, tsy fahadisoana ny mampahatsiahy fa hiankinan’ny fizotry ny fitantanana ny firenena sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Raha mitaha ny amin’ireo fifidianana solombavambahoaka nifanesy teto, hatramin’izany, azo lazaina ho feno kokoa ny fampahafantarana na fampahatsiahivana ny olom-pirenena sy ireo kandidà ny tena andraikitr’ireo hahazo seza eny Tsimbazaza. Angamba, efa mazava amin’ny rehetra fa tsy hanao asa sosialy na hanamboatra fotodrafitrasa ny hifidianana azy ireny.

Mipetraka eo an-tsoroky ny depiote ny fandaniana lalàna sy ny fanaraha-maso ny asan’ny andrimpanjakana mpanatanteraka na ny governemanta. Noho izany, fanontaniana tokony hapetraky ny mpifidy tsirairay ny hoe vonona hampandany ireo lalàna hitondra tombontsoa ho azy sy ny firenena ve ilay olona eritreretiny hofidina ary hampitoetra ny fifandanjan-kery ka hahamarim-pototra ny fitondrana voafidin’ny maro anisa?

Tsy izay ihany! Iaraha-mahalala ny tantara nifandimby teto. Nivandravandra tamin’ny vahoaka ny tombontsoa mihoa-pampana nangatahin’ireo depiote: fiara tsy mataho-dalana, tambin-karama amin’izao sy izao, sns. Heverina fa tsy hifidy ireo tsy mieritreritra afa-tsy ny tombontsoany na izay ho any am-paosiny ny mpifidy.

Ato anatin’ny herinandro farany amin’ny fampielezan-kevitra isika izao. Samy manao izay ho afany ireo kandidà amin’ny fandresen-dahatra ny mpifidy izay antenaina fa tsy ho sodokan’ny asa an-tselika sy ny fanomezana madinidinika. Mahaiza mifidy!

Randria.

 

 

Les commentaires sont fermées.