Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra afrikanina: sary famantarana ny “Can 2019” i Tut

Kitra afrikanina: sary famantarana ny “Can 2019” i Tut

I Toutankhamon na i Tut ny sary famantarana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”, tanterahina any Egypta, ny 21 jona – 19 jolay ho avy izao. Faraona faha-11, tamin’ny fitondrana mpanjaka faha-18, tany Egypta. Sarina zazalahy, mitafy ny fanamian’i Egypta, miloko mena sy kilaoty fohy fotsy ary manao ny satroka faraona, miendrika bibilava. Kavia, mitovy amin’i Salah, i Tut.

Ho hita manerana ny kianja hanatanterahana ireo lalao miisa 52 amin’ity “Can 2019” ity, any Egypta, izany i Tut.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.