Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fokontany dimy: nodiovina ireo lakandrano madinika

Nodiovina ireo lakandrano madinika eny anivon’ireo fokontany dimy ao anivon’ny boriborintany voalohany amin’ny faritra iva eto an-dRenivohitra. Antohomadinika Afovoany, III G Hangar, Andavamamba Anjezika I-II sy Andohotapenaka I ny iantefan’ny asa izay mbola nitohy. Tsapa fa mbola manary ny fakony sy ny malotony any anaty lakandrano ireo mponina eny amin’ireo faritra iva ka izay indrindra ny anton’izao hetsika manerana ny boriborintany enina izao hanentanana sy hanairana ny sain’ireo mponina. “Loza mitatao ho azy ireo ny fako rehefa tonga indray ny fahavaratra”, hoy ny nambaran’ny tompon’andraikitra iray avy eo anivon’ny boriborintany Voalohany, Rakotonirina Maminiaina. Efa misy ihany ireo efa voaentana amin’ny fanaovana hetsika fanadiovana ka mandray andraikitra avy hatrany rehefa misy maloto ny manodidina azy. Mbola eo ihany ireo mbola tsy mahatsapa tena.

Vonjy  

 

Les commentaires sont fermées.