Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Barea de Madagascar: tsy avelan’ny Fosa Jr mandeha i Baggio

Araka ny filazana hita tao amin’ny tambajotran-tserasera, nivoaka omaly talata, fantatra fa tsy navelan’ny tomponandraikitra ao amin’ny Fosa Jr, hanao «visa», hamonjy ny fampivondronana ireo mpilalaon’ny Barea, any Paris, i Baggio. Voalazan’ny fampitam-baovao fa anton’izany, ny fisian’ireo ambin-dalao hatrehin’ny Fosa Jr, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara sy ny amboaran’i Madagasikara, samy mbola hatrehin’ny ekipan’i Boeny avokoa, indrindra fa ny famaranana ny «Telma coupe», ny alahady 2 jona, ho avy izao.

Tsiahivina fa tokony hanainga, amin’ity herinandro ity, i Baggio sy i Leda satria hanomboka ny 31 mey ho avy izao, any Paris, izany fampivondronanana eo anivon’ny Barea de Madagascar izany. Raha ny fandaharam-potoana, hisy lalao fihantsiana hikatrohan’ny Barea amin’i Luxembourg, ny alahady 2 jona ho avy izao.

Ankoatra izay, anisan’ireo mpanohana ny Barea koa ny banky BNI Madagascar, mandritra ity taona 2019 ity. Hisy lalao ho an’ireo mpitsidika ny “Foire internationale de Madagascar”, hatao eny Tanjombato manomboka ny alakamisy ho avy izao, eo amin’ny “stand” BNI Madagascar.

 

Tompondaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique