Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Jazz@Tohatohabato 2019 »: Raikitra ny hetsika ankalamanjana

« Jazz@Tohatohabato 2019 »: Raikitra ny hetsika ankalamanjana

Fantatra fa ny 29 mey ka hatramin’ny 2 jona izao ny hetsika lehibe « Jazz@Tohatohabato 2019 ». Amin’ny ankapobeny, voatazona ireo fandaharam-potoana nahafantarana ny « Jazz@Tohatohabato » hatramin’izay. Anisan’izany ny « Kazz kids » ahitana ireo kilonga kely kanefa efa havanana amin’ny filalaovana ny jazz, ny « Jazz VIP », na jazz natokana ho an’ireo nasaina manokana, ny « Jazz quartiers », seho hitetezana toerana sy tanàna eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, ny « Jazz street », hanehoan’ireo rehetra manan-talenta ny fahaizany mitendry ny mozika jazz ary ny « Grande scène », nanasana mpanakanto maro.

Raha ny voasoratra ao anatin’ny fandaharam-potoana, anisan’ny handray anjara amin’ity taona ity ny Tambours Gasy, ny Jazz clube CGM, ny Jazz club AFT, ny Weaver Trio, ny MJE, sns. Nasaina kosa i Johanna Summerer, i Jaojoby, Joro J Quartet, BBK, sns.

Marihina fa raha eo amin’ny tontolon’ny jazz, anisan’ny hetsika lehibe indrindra fanao isan-taona ny « Jazz@Tohatohabato ».

HaRy Razafindrakoto

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique