Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady mahamay

Ady mahamay

Rehefa manakaiky ilay andro hifidianana solombavambahoaka, toa miakatra ny maripana politika. Ny Vaomiera manokana mikarakara ny fifidianana moa tsy nitsahatra namoaka ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ireo kandidà. Raha tsy hiteny afa-tsy ny fametahana afisy etsy sy eroa, ny fifanebahana eo amin’ny samy mpifaninana sy ny ompa manerana ny tambajotran- serasera. Ny azo antoka aloha hatreto dia manan-danja ity fifidianana ity. Fa tsy araka ny feo haely. Satria tokoa mantsy hiainga amin’ny fifandanjan-kery politika etsy amin’ny Antenimierampirenena ny fanendrena izay mety ho Pramiminisitra. Raha tsiahivina ny lasa, ny tsy fananan’ny antoko HVM maro an’isa tao Tsimbazaza no naha tsy marim-pototra ny fitondrana Rajaonarimampianina. Ka voatery niroso tamin’ny fividianana olona hatrany raha vao misy adihevitra somary manahirana. Ka ireny niafara tamin’ny asabotsy 21 aprily 2018 ireny ny raharaha. Azon’ny “solombavambahoaka 73 ho an’ny fanovana” ny Parvis tetsy Analakely manoloana ny Lapan’ny Tanàna. Nanao “tatitra” isan’andro izy ireo. Tsy nanaiky raha tsy azo ny fitakiana. Izany dia entina hilazana fa tsy ho mora ny raharaha raha tsy mandresy mazava ireo “miaraka amin’ny Filoha Rajoelina”, ny alatsinainy ho avy izao. Mety ho voatery hiaraka amin’ireo izay tsy mitovy firehan-kevitra aminy indray raha izay no mitranga.

Ho raikitra indray ny ady varotra fiara tsy mataho-dalana, ny fanamboarana ny governemanta sy ny fizaran-tseza manerana ny minisitera. Ho lasa fiaraha-mitantana sadasada eo. Ny mpifidy ve anefa mahatsapa izany? Raha ny tombana aloha, maro ny milaza fa ho ambany dia ambany ny tahan’ny fandraisana anjaran’ny mpifidy. Leo sy tofoka tamin’ireo zava-nitranga teo aloha ny olom-pirenena ka tsy hanome ny vatony entina hangalarana sy hanaovana kolikoly avo lenta. Maro koa ireo kandidà no tsy azo antoka loatra ho manana ny fari-pahaizana handinika volavolan- dalàna izay andraikitra voalohan’ny depiote. Fa tsy ny fanaovana asa soa feno ambadika politika. Satria tokoa mantsy mahantra ny vahoaka malagasy ka tsy manam-pidiny. Fa zara aza misy propagandy hanatsarana ny andavanandro ao anaty fahoriana. Iza ary no hanavotra antsika e?

Vonjy Andrianjaka

Les commentaires sont fermées.