Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambohimahasoa – Rhyviere II: tetikasa iray manodina voanjo nahazo herinaratra

Ambohimahasoa – Rhyviere II: tetikasa iray manodina voanjo nahazo herinaratra

Manatanteraka ny fandaharanasa Rhyviere II izao (Réseau hydroélectrique villageois : énergie et respect de l’environnement) ny ONG Gret any amin’ny kaominina ambanivohitra Sahatona sy Vohiposa, distrikan’Ambohimahasoa, faritra Matsiatra Ambony.

Tetikasa famatsiana herinaratra azo avaozina sy miaro ny tontolo iainana any ambanivohitra, nanentanana ny tanora. Dimy volana ny fanofanana ireo tanora any an-toerana amin’ny famolavolana tetikasa, hifaninanana hahazoana famatsiana herinaratra avy amin’ny ONG Gret. 200 ny tetikasa nifaninanana tany am-piandohanana tamin’izany, 14 ny voafantina ary ny efatra mendrika nomena loka. Anisan’izany ny tetikasa natolotry ny tanora iray ho amin’ny fanodinana voanjo atao menaka.

Sakana iray hatry ny ela tsy ahafahana mampivoatra ny fihariana any ambanivohitra ny tsy fananana herinatra matanjaka, ka izao Rhyviere II izao, atao indrindra ho an’ny orinasa rehetra PME mba hihodina tsy tapaka. “Manomboka izao, azo antoka ny fihodinan’ny orinasa tsara hahazoana fenitra ara-dalàna”, hoy ny tompon’ny tetikasa manodina voanjo. Ahitana fianakaviana tantsaha 15 % ny mpamboly voanjo any Matsiatra Ambony, ny any amin’ny distrikan’Ambohimahasoa no betsaka mpampiasa teknika maoderina.

Izay fambolena maoderina anefa tsy tokony hisaraka amin’ny famokarana herinaratra nahatonga ny Gret nanohana sy nanosika ireo tantsaha ho amin’ny famolavolana tetikasa. Azon’ireo tanora atao tsara koa ny manolotra ny tetikasa amin’ny fandaharanasa “Fihariana” an’ny fitondram-panjakana (p.3).

300 kW ny herinaratra vokarin’ny Rhyviere II kely indrindra. Midadasika ny faritra Matsiatra Ambony ka ezahina ny fanapariahana izany, araka izany tratra any amin’ireo kaominina ambanivohira maro.  Ankoatra ny famatsiana herinaratra, ny fitandroana ny tontolo iainana hahazoana  rano madio fisotro.

Nanomboka ny taona 1988, efa teto Madagasikara ny Gret, miasa amina sehatra maro manampy ho an’ny fambolena sy fiompiana, famatsian-drano, fahasalamana, sy famatsiana herinaratra. 158 ny mpiasa ao aminy, miasa ho an’ny tetikasa miisa 14, misy fiantraikany any amin’ny olona valo hetsy mahery, izay any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ny maro.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.