Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

«Kidnapping» – Tsaratanàna: voasambotra ny tanan-kavanan’i Del Kely

«Kidnapping» – Tsaratanàna: voasambotra ny tanan-kavanan’i Del Kely

Mitohy tsy an-kijanona ny hazalambo ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny andian-jiolahy mpanao “kidnapping” tarihin’i Del Kely. Raha mbola tsy hita popoka ity farany, fantatra fa voasambotry ny polisy tao Tsaratanàna kosa ny roa lahy. Anisan’izany ny tanan-kavanany.

Jiolahy roa ao anatin’ireo tambajotran-jiolahy mpaka an-keriny any Tsaratanàna ireo tratran’ny polisy avy ao amin’ny CSP Tsaratanàna ireto, ny 13 mey 2019 lasa teo. Nambaran’ny polisy fa jiolahy isan’ireo tanan-kavanan’i Del Kely ao Tsaratanàna ry zalahy ireto. Nilaza ny polisy fa tsy mitsahatra izy ireo ny mikaroka ireo mpaka an-keriny, indrindra fa i Del Kely, lehiben’ireo mpanao “kidnapping” ireo. Anisan’ireo jiolahy nandray anjara tamina raharaha fakana an-keriny vehivavy iray tao amin’ny fokontany Betanantanana, Tsaratanàna, izy roa lahy ireto. Vola mitentina 50 tapitrisa Ar ny azon-dry zalahy tamin’ity raharaha “kidnapping” ity. Teo koa ny fanafihana tokantrano iray naharatrana raim-pianakaviana iray, ny volana desambra 2018 tao an-tampon-tanànan’i Tsaratanàna. Niaiky ny iray amin’ireto jiolahy ireto nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa mpiara-dia amin’i Del Kely raha kartie mobile mpiray tsikombakomba sy mpanome loharanom-baovao ireo jiolahy koa ny iray amin’izy ireo, indrindra fa ny fihetsiky ny mpitandro filaminana eo an-tanàna. Nohamafisin’ny polisy hatrany fa mbola maro ireo andian-jiolahy karohin’izy ireo ao Tsaratanàna momba ity raharaha fakana an-keriny ity. Tena isan’ny nampiaiky ny mponina ao amin’ny distrikan’i Tsaratanàna ity tambajotran-jiolahy tarihin’i Del Kely ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.