Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery 

Nampianatra maimaimpoana informatika ny tomponandraikitra ao amin’ny boriborintany fahefatra, kaominina Antananarivo Renivohitra. Niarahana amin’ny mpiray ombon’antoka  Orange Solidarité ny tetikasa amin’ny fanomezana ny fitaovana entina nanatanterahana izany. Nisitraka izany fampianarana izany ny vehivavy 54 mpitantana fotodrafitrasa ahazoana rano madio fisotro na Association des usagers de l’eau ao anatin’ny fokontany miisa 32.  Momba ny bureautique no nanofanana azy ireo ho fanarahana fenitra ireo firaketana an-tsoratra ny fitantanana ny fotodrafitrasa. Hahazo firaketana ao anaty ordinatera, manomboka eto, ny fikirakirana ny fitantanana ny rano. Hifarana ny 29 mey ho avy izao ny fiofanana ka afaka hampihatra ny fahalalana vaovao azony ny mpiofana.

 

Les commentaires sont fermées.