Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hisy isan-taona: raikitra ny “Festival BaGasy”

Hisy isan-taona: raikitra ny “Festival BaGasy”

Sambany eo amin’ny tantaran’ny bagasy. Hisy ny “Festival BaGasy” hotontosaina eto an-dRenivohitra. Ny 31 mey izao, hitohy ny 1 jona sy ny 2 jona, ao amin’ny IKM sy ao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely ary ao amin’ny CC Esca. Hetsika ho fanandratana sy ho fampahafantarana ary ho fampitiavana ny bagasy sady ho fampiroboroboana ny kolontsaina malagasy rahateo.

Ny zoma 31 mey amin’ny 10 ora maraina, ao amin’ny IKM, fanokafana ny “Festival BaGasy” arahina fampirantiana sy varotra sanganasan’ireo mpanakanto ifarimbonan’ireo mpankafy sy ireo mpisehatra bagasy. Amin’ny7 ora hariva, « Takariva miavaka », seho an-tsehatra iarahana amin’ireo tarika zoky eo amin’ny hira bagasy. Asabotsy 1 jona ao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely, varotra fampirantiana ny sanganasan’ireo mpanakanto sy ny mpamorona zavamaneno malagasy arahina fiakarana an-tsehatra.  Hifarimbona ao anatin’izany tontolo andro izany ireo mpankafy sy ireo mpisehatra bagasy, anisan’izany ny mpitendry valiha, ny mpitsoka sodina, ny mpitendry gitara ary ny mpitendry piano.
Alahady 2 jona, CCEsca amin’ny 2 ora sy sasany, seho an-tsehatra goavana hotontosain’ireo mpisehatra bagasy sy ireo mpankafy hira bagasy.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.